FE TSY BOKY…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FE TSY BOKY…!
Nahoana no avelatra, tarafin’ny mpandalo,
'ty fe anao ry kala, mba hojinereny?
Nahoana ny tsio-drivotra, ilay nampimalo,
no tsy notsaroanao, foiny aho niteny?

F'indrisy ankehitriny, zipo fohy toa tsy afaka,
tsy manam-pahafahana, manarona ny atiny,
nondesinao hisintona, itony biby an-davaka,
izay efa diso zatra, manandrana ny patiny.

Ny fe anie tsy boky e! Ka azo avelabelatra?
Ny teny miary toky aza, toa mbola manan'elatra,
ka mainka izato saina, mahita ny tsy tokony ho tazany,
mba fantatrao ve 'zao, ny tena endri-tavany?

Ny fe tsy boky hoy aho, ka mety aderadera,
azon'ny tia mamaky, mamaky tsy miera,
azony avadibadika, amin’ny pejy tiany ho hita,
ry kala mba mahalala ihany e! Na dia mangatsiaka.

Ny fe tsy ho boky mihitsy, ka atao fampirantiana,
dia hoe: “Ity ve ‘zao no tsara, f'ity toa tsy manaitra”?
Saingy kosa moa, izay ve izao no tiana,
dia izay ambarako eto, tsy ataonao mahataitra?

Ny fe hoy aho tsy boky, fa zava-tsaro-pady,
zava-tsarobidy 'zay tolo-janahary, mendrika hajaina,
tsy ilaina ho hita akory, ho tazan'olom-pady,
ry kala a! Raha mety, eo mba tongava saina!
RRAG
11 Jona 2018
--------
Rohy:
673 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0246