FELANA MALAZO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FELANA MALAZO…
Fony izaho sy ianao nisaraka, toa nofy tamiko avokoa.
Nolazaiko fa nandainga, sady niangatra ny fo!
Nefa ankehitriny ireny, vao tena tsapako ny vesany.
Noho ‘reo felana nalazo, niandry izay ho fahafatesany!

Satria nilaozan-tondratondraka, toy ny foko mbola tia.
Zary ahitra sy bozaka, tsy hoe hadino sanatria!
Fa niniana tsy nosorohana, fa navela handrava ny aminy.
Dia novolena teny mihitsy, haka izay anjaran’ny taniny!

Angamba izy, tsy afaka ny hisedra irery.
Tsy afaka ny hizaka tena, raha voafato-teritery!
F’izaho kosa manan-tsaina, manam-panahy iray mandinika.
Ka raha hanapa-kevitra aho, dia ny farany madinika!
Izay hotinapahako voalohany, hahafahako mampitsiry,
ny felam-poko ilay nalazo, fa voarakotra hirifiry!
RRAG
Aogositra 2012
--------
Rohy:
298 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0896