FENITRA VOARANTONY... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FENITRA VOARANTONY...
Tinefy maikamaika ka ravan'ny harafesina
ny fitiavana natolony, 'lay lazainy ho tian'ny fony!
Rehefa babo teny dia, navelany niesona,
fa izy niova lapa, indrisy! Tsy nitoetra tany intsony!

Sisasisam-paika, no indro mba navelany!
Fa lasany nandao, ny sompitra sy maminy!
Ratram-po tsy laitra, no havatsa nampitoerany
tan-kianjan'ny fitiavana, ny ambiny tsy laniny!

Dia tsy hita izay nalehany, ka rava teo ny dina!
Ilay tia no hany sisa, nandatsaka tomany!
Foana irony nofy, niary faniriana
na ny afo ilay nireda aza, maty tany ho any!
Tan-tsampanan-dalana...!
No injao ny fo voabahana...!

Kanjo mantsy e! Tsy izay no izy, fa teti-panimbana
efa voavolavolany, 'lay namabo anao!
Paika tsara rafitra, teti-maty paika, vita fandaharana,
eny hatramin'ny andro, ialany ka handao!

Fenitra voarantony, valifatiny hatrin'ny ela!
Tamin'ny teny tsy ambina, naloakam-bavanao!
Foiny izy ilay nahantra, tsy endrika hojerena,
fa tia dia namboraka, fitia taminao!

Nahazo ompa Ray, nomenao ompa Reny!
Teo izy ilay nijaonjina tsy nahaloaka teny!
Ka dia nandrafi-paika, nikendry valifaty!
Voarantony ho fenitra, tanjona ao anaty,
ny handratranao mafy, amin'ny ora tsy heverina!
Zakao aloha ny anao fa, io! Kodiarana miverina.
Na izy aza, mety mbola ho voany!
Dia, hahatsapa ity talohany!
RRAG
23 Jolay 2021
Avaradoha, Antananarivo (Tamin'ny 10 ora sy 50 minitra alina)
--------
Rohy:
243 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0206