FERAPARA NIOVA LOKO...! (ANDIANY FAHAROA) (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FERAPARA NIOVA LOKO...! (ANDIANY FAHAROA)
Rako-javona ny lanitra, dify tampoka ny taratra.
Mialokaloka ny fery, ka zary an-trano ny oram-baratra!
Ora vitsy no niandrasana, dia tanteraka ny voady.
An'alitara no kinendry, dia fahafatesana no ady!

Nilavo lefona ny tiana, toa nandao fitia mamy.
Zary endri-pahoriana, no nanarona ny tany!
Ilay vinavinam-po, nofinofy sisa ireny,
f'ilay malala nantenaina, dia nangina tsy niteny!

Lasa tsy nanao veloma akory, nandao tampoka ity tany.
Tsy vitan'ny hoe mba resi-tory, fa nanalavitra avy hatrany.
Namonjy akany mirindrim-bato, tsy mba fonenan'ny velona.
Tontolo, lapa, eny akany, fisarahan'olombelona!

Dia ny vata-mangatsiakany, no hany sisa nofihinina.
Ranomaso no injao mitosaka, nilaozan-tiana an-dririnina.
Nisaona teo amorom-boady, tsy nahaloa-bava intsony.
Zary fery no nitsiry, ràtram-po no injao namony!

Ny ferapara mariazy, naparitaka indrisy,
niova loko, ka ny fety nanasàna, toa tsy hisy.
Feraparam-pifaliana, zary ferapara mainty!
Atao ahoana moa, fa tsy maintsy?
RRAG
13 Jolay 2017
--------
Rohy:
379 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0241