FERIN’I NENY… (RRAG)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FERIN’I NENY…
Raha nangina aho dia nijery tsy satry, ny fon-dReny naràtra!
Raha nangina aho tsy hoe, nahatanty ireny ary koa nahazaka!
Fa mba trotraka ihany, toa anao koa, ka nahatsapa ny jaly,
izay nentin’ny fo, nangina irery, resin’ny tomany!

Raha nangina aho tsy hiteny, tsy hoe tsy te mba hijery,
ny ferin’i Neny, nataom-piainan-teritery.
Raha nangina aho tsy hoe, nitazam-potsiny ny lefo-natsatoka,
fa mba nitroatra, toa an’i Neny, ilay sendra ady sarotra!

Ny ferin’i Neny nozakainy, mba ferin’ny aiko hozakaiko!
Ny tomanin’i Neny nolanjainy, tsy zakan’ny saiko raha lanjaiko.
Ka raha hangina aho tsy hiteny, moa tsy toy ny olona kanosa a?
Mba te hiady ho an’i Neny tiako indrindra, satria somary osaosa.
RRAG
10 Martsa 2013
--------
Rohy:
488 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0206