FETIN’NY FO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FETIN’NY FO…
Mba hifety koa hono, ny fo ‘zay mitia,
ka hiaraka hifety, ‘reo fo miara-dia,
izay tsy maintsy, tsy maintsy mbola hisedra.
Setrasetra maro, sy ady tena ‘ngeza!

Mba hifety koa hono, ity fo satria,
fotoanany izao, androny anio.
Atao toy ny tsy misy ‘reo herin-tadio,
nanarona ny aty fo, fo izay mitia!

Io andro io, no andro hamborahana,
ny fitia nitoetra, naroson’itsy lahatra,
dia ‘lay lahatra, toa tsy manam-petra!

Io andro io, no andro hanamafisana,
‘reo tokim-pitiavana, nisedra sampanana,
ka nahavery dia, ny fifampitokisana.

Io andro io, no mbola hanambarana,
‘lay fitia mitoetra, tsy azo zaraina,
raha tsy amin’olona tokana.

Io andro io, no andro hanehoana,
fa mbola afa-mitraka, ‘lay fo ‘zay voadona.
Voatsindrontsindro- mafy, ka dia saika resy,
nefa soa ihany, fa mbola tsy nilefy.

Hifety izao ny fo, raha mbola tsy ny saona,
na ny ranomaso, raketin’ity taona,
no zary tsiahy tadidy, aroson’itsy lasa,
hiverina hitamberina, ka mbola hinia handràtra!
RRAG
Febroary 2012
--------
Rohy:
267 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0167