You are here: home > Vetso

FETIN’NY MPIFANKATIA… - RRAG

FETIN’NY MPIFANKATIA…
Fetin’ny mpifankatia anio, fety tokana isan-taona,
fety iray manan-danja, hanokanana fotoana.
Hiarahana maharitra, hizaràna ny tsy zaka,
hifanomezana hafaliana, hamaritana ny tsy aritra.

Fetin’ny mpifankatia anio, fety iray manan-kaja,
hifanoloram-boninkazo, hifanomezana arahaba,
amin’ny oroka misesy, izay tsy manam-piafarana.
Fetin’ny mpifankatia anio, tsy irahana amin’ny akama.

Fa amin’ilay safidim-po, hiarahany mandramaty,
ilay safidy soa tokoa, nahay nambabo ny tanaty,
raozy iray naneho fitia, ka izaràna ny ao am-po,
nahatratran’ny andron’ny fitia, arabaina ho tratra soa.
RRAG
14 Febroary 2004


Hametraka hevitra

Midira aloha