FETRA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FETRA…
Tsy maintsy hasiam-petra, ihany izay atao,
fa tsy ny rehetra, dia avela hitsara anao.
Ka avela hitanisa, ‘reo hadalana vita.

Tsy maintsy misy farany, ny alahelon-tany.
Tsy maintsy misy farany, ny fototry ny tomany.
Tsy maintsy hisy fetra, ‘reo fo misetrasetra.

Anio dia mety anjarany, ny hikapoka ny tena.
Ny ampitso izay tsy lalany, dia mety ho fandresena,
hanafaka ny zoga, hanohitra ny onja.

Tsy maintsy hasiana fetra, ny ranomaso latsaka.
Aleo tsy avela hisetra, ny lasa ka hahasolafaka,
hamerina indray, ‘reo tsiaro nahamay.

Tsy maintsy hasiana fetra, ny toky izay atao.
Tsy azo avela hilefa, ny fitia anatinao,
fa io no fanarenana, hanavao tantara.
Hazo fiteherana, toy ilay anjara!
RRAG
12 Febroary 2013
--------
Rohy:
249 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0205