FIAINANA HODIAVINA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FIAINANA HODIAVINA…
Eh! Mba mpinamana ihany ve isika?
Dia izaho sy ianao Rafahazazana.
Toa ela tsy nifankahita,
raha vao tonga, Rafahatanorana.

Namam-baovao, akaiky ahy indrindra,
nananatra ahy mafy, hanova famindra.
Namana akaiky, fa mety mbola hamitaka,
nefa tsy ho ela dia, izaho no hisintaka.

Hiazo moramora, an-dRafahamatorana,
hiezaka hitraka, ho an’ny ankohonana.
Hanatanja-tsaina, ho lavi-pahakiviana,
hikendry ny hahasoa, ireo fianakaviana.

Fa tsy ho ela koa, dia tsy maintsy hiala,
hamonjy akany vao, tontolo mamanala,
feno hirifiry, tsiaro sy tsiahy.
Tontolo-pahosana, rakitra ahiahy!

Hisintaka hamonjy, an-dRafahanterana,
‘zay ady holalovana, an-tsento sy tomany.
Fa anisan’ireo namana, nalahatry ny fiainana,
hamadika ny nofoko, ho zary vovo-tany.

Ka hiazo akany vao aho, dia ny fahafatesako,
lalana hodiavin’ny fanahiko ‘zay trotraka.
Na ho fasan-tany, na koa ho fasam-bato, no hilevenako,
dia tsy afaka hisafidy, satria aho efa potraka.
RRAG
Nôvambra 2008
--------
Rohy:
351 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0201