FIALAN-TSASATRA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FIALAN-TSASATRA…
Ry Iarivo anio indray, dia tinazako ianao,
efa elaela izay, ny foko tsy nahita anao.
Niandry andro, niandry taona,
niandry volana hivalona, niandriandry ‘ty fotoana,
ahafahantsikaroa, mifankahita toy izao.
Ry Iarivokely ô! Nalahelo anao ity ‘zaho.

Fialan-tsasatra isika, vao afaka mifampitafa,
mifampiresaka indray, mifampizara irony lasa.
Saingy ny anao ny alahelo, no mameno ny aty fo,
ry Iarivokeliko iny, mahareta fa hanan-tsoa.

Asa anefa, ho haritrao o? Ity feom-basy lava,
asa raha ho zakanao, ilay fanavahan-tava,
hanosena ny madinika, toy ny ataon’ireo mpitondra,
ka tsy hamela azy ireo, raha tsy mihidy any am-ponja.

Fony izaho sy ianao ry Iarivo, ilay nifankahita farany,
dia efa nitomany ianao hoe, tsy hahaleo ny vidiny ny sarany.
Amin’izato setrasetra, enti-mandrava ny hasinao,
ry Iarivokeliko ô! Tena tsy hitako ny atao.

Tsy ho ela koa anefa, dia hisaraka isika,
ny fotoam-pialan-tsasatra, efa madiva ny ho vita,
asa indray izay hosoritin’ireo fotoana maro, izay hifandaozantsika.
Indrisy anefa ry Iarivo, fa izaho tsy hahita,
tsy hahita akory, izay mety hahazo anao,
mahareta ry Iarivo, fa anjarany izao,
ny ampitso nefa anao.
RRAG
25 Jona 2004
--------
Rohy:
394 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.021