FIFANAKALOZANA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FIFANAKALOZANA…
Manao ahoana izato voahangy,
toa mangina tsy miteny.
Sa tsy tianao ‘zaho mamangy,
dia avela hiteny irery.

“Tsia ry Andry! Tsy izany velively,
fa zavatra hafa mihitsy, no mamaky ny saiko.
Ka izany, no mahatonga ahy, toa lavi-pijery,
satria tsy haiko, fa mety hanala ny aiko.
‘Zay miankina amin’ny tady, tokan’ny fitiavako,
kanefa tsy maintsy, ho tonga ho fandàvako”.

Tsy misy azoko na tokana, ny tianao ambara.
Avereno moramora, dia alamino tsara,
fa tsy ho hitako ny fomba, hanampiana anao.
Raha toa ka tsisy fantatro, izay ambaranao.

“Aleo izany ho any, sao hampanahirana anao.
Aleo ny ràtrako ho ahy, sao hampisy raorao.
Etsy, inona ny vao? Mba entinao mamangy,
fa efa liana aho, efa sasa-miandry”.

Ry Meva, namana aho no eto,
fa aza hanafenana, ny ràtra entinao.
Izaho vao nandre, dia vaky sento,
nefa, ny resaka, avadibadikao.

“Aza misahirana, ry Andry fa efa ampy,
ampy ho fiononako, ny fahitako anao,
ka nanamaivamaivana, ny fery tsy tanty.
Misaotra, tena misaotra anao!”

Tsy maninona ary, nefa re mba saino,
fa izaho, mbola vonona ny hihaino,
ny hihaino anao, raha misy tiana ambara,
fa sahia kosa, sahia mitantara.
RRAG
Jolay 2012
--------
Rohy:
291 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0242