FINOANA... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FINOANA...
Misy sento tsy voafafan'ny tsikitsiky lavitr'isa!
Misy lasa tsy voavonon'ny fifaliana manapitr'isa!
Tsisy ratra tsy ho voakosoky ny fahavononana hitraka!
Sanatria ny fifaliana, hondesim-pahoria-miampaka!

Sivanin'ny eritreri-tsaina ny fijaliana mianjady!
Rantsanin'ny antsim-panafahana irony lomotry ny ady!
Mangozohozo an-kalemena ny fo matahotra ho voadona!
Saingy nofy avy ireny, raha toa ianao manam-pinoana!

Misy ady tsy ho vitan'ny herin-tsandry velively.
Misy koa fahoriana tsy ho lefy raha indray mijery,
saingy misy fanantenana, tsy hay vonoina mandramaty!
Satria finoam-boatsinampy no mihiboka ao anaty!
RRAG
14 Mey 2021
--------
Rohy:
242 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0329