FIRENEKO MAHANTRA…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FIRENEKO MAHANTRA…!
Fireneko mahantra, eo miarena,
fa tsy mendrika anao izao, ry firenena.
Miarena hitroatra, hikiry ho afaka,
ny sombin’ny ainao, tsapa fa efa valaka!

Fireneko mahantra, eo mitrakà,
ny adintsika, tsy atao mihosin-drà.
Fa ady madio, amin’ilay fahantrana,
ireto anakao, ataovy hoe: “Mitsangana”.

Fireneko mahantra, nahoana no tsy hitroatra,
raha mbola ny madinika, no misy manararaotra,
misy mikendry, handroba ny keliny.
Ry fireneko, mba jereo ‘ty fijeriny.

Moa va tsy hontsa, mipitrapitra ohatr’izany?
Ny tavany koa, toa mandon’ny tomany.
Resy anie izy e! Ka nilavo lefona,
raha mahatsiaro azy ianao, efa ela no nievina!

Ry fireneko mahantra, ho avela kosa ve,
ireto mpandroba, ny hirehareha,
hamotika hatrany, amin’ny farany bitika?
Ka ny gasy kely, izay efa madinika,

no mbola hizaka, hilanja izany.
Fa hono hoy aho e! Fa an’iza ny tany?
Miangatra loatra manko, Rafahantrana.
Nahoana izy no eto, no tena tamana?
RRAG
01 Jolay 2013
--------
Rohy:
300 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0636