FIRENENA… MADAGASIKARA… (RRAG)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FIRENENA… MADAGASIKARA…
Faka iray mamatotra ahy, tsy ananako atambo,
ilay rojo nampanahy, nefa fototry ny hambo.
Raisiko ho fandresena, na dia vesatry ny ràtra,
entim-poko ilay nianjera, teo an-dala-nahazatra,
nilalaovako fahiny, eny! Nilalaovanay,
eto aho ankehitriny, vao nahatsapa fa mamay,
ny ziriziry nentim-poko, sy ny fitiavan-tena nentiko.
Aiza anefa e? No handefasako ny sentoko!

Raha tsy ho anao, ho anao ihany,
ry fireneko, hany mamiko!
Ho anao irery, ho anao hatrany,
eny, hatramin’ny tomaniko!
Hatramin’ny ràtram-poko, ilay tsy nozaraiko,
ka nitondra ilay toloko, ilay namatotra ny aiko.

Mitanisa ireny aho, toy ny mitsiahy ny fery!
Ankehitriny ireny, toa mitamberina ho tsianjery,
dia mandoto ny herin-tsaiko, ilay nanam-pahasahiana.
Ankehitriny, toa zary resim-panahiana,
godraky ny adin-tsaina, ilay fatotra manery.
Aronjin’ny herin’ny taraina, ka tsy sahy ny mijery!
Sao lavo indray, raha vao mamindra anaty haizina,
irery tsy mahazaka, ny tena hamafin’ny famaizana.
Kanefa mbola manantena, fa ho tanteraka ny vina,
anio izany, no ‘ndeha hataoko ho dina,
raketiko am-po mitroatra, ilay maniry fahafahana.
Anio aho vao tena mino, fa mbola hisy ilay fiadanana.
RRAG
Aogositra 2012
--------
Rohy:
359 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0757