FITIA KISENDRASENDRA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FITIA KISENDRASENDRA…
Raha hotantaraina anie malala, ny dingana tafita,
na hotanisaina, tsy an-tsalasala, ireo vina tsy vita,
dia hisy alahelo, hiezaka hanarona, ny fo ‘zay tena tia,
hisy ranomaso, hamboraka ny marina, ny amiko sy indrỳ.

Raha ho hambara tokoa, ny lasa rehetra, hanova inona e?
Na hofoanana avokoa, izay ao am-po, dia ho lafo ohatrinona e?
Fa hijanona eo, hifikitra eny mafy, ny fanaintainana,
izany malala a! Tsy ilaozan’ankaso, izany re no fiainana.

Fitia kisendrasendra, tsara endrika ivelany, mamiratra ery a!
Saingy toa mora rava, sarotra atambatra, toy ny antsika akia a!
Mandràtra, mamery, manindrona mafy, mandrovitra ny aty,
miredareda vetivety, mitsilopilopy, dia zary matimaty.

Fitia kisendrasendra anefa, nisy fỳ sy tsirony,
mety hoe tsy nahay niantefa, saingy tinaratry ny jiron’
ilay fahazavana, nitondra ity fitia niserana,
toa tontolo hafakely, nefa tao ‘lay fanaperana.

Raha ho haravina ny vita, boky tokana tsy ho ampy,
indrindra moa fony ny antsika, nisy anao ‘lay niantsampy,
tamin’izato hazo tokana, hany tsy fanta-poto-piavy,
saingy tsy maintsy nofaranana, eny, na dia tsy nisy adiady!
RRAG
12 Febroary 2018
--------
Rohy:
1086 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0168