FITIA TSY MISY TAMBINY... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Andao isika aloha hidera ny Tompo fa alahady ny andro e!

FITIA TSY MISY TAMBINY...
Nodiako tsy re, ny tambitambinao.
Nodiako noviliana, ny lalan-janakao.
Fe ankehitriny, masison'ny ota aho.
Dia niverina indray aho, teo akaikinao.

Tompo ô! Tena tsy mendrika aho.
Tsy mendri-pamelana, avy aminao tsy toha.
Tompo ô! Mifona aminao,
fa tsy nahalala akory, izay tena soa.

Niezaka nandika, tsy nisy hambahamba,
ny sora-masinao, avy amin'ny mpaminany.
Tompo ô! Ninia tsy nijery, eny tena jamba,
fa nihevitra hatrany, fa ho ela eto an-tany.

Ka raiso re ry Tompo, ny fifonam-poko,
ilay efa te hiova, hiala hadalana.
Hafa ihany mantsy, ny fitiavanao 'lay Tompo.
Fitia tsy misy tambiny, sady tsisy akamakama!
RRAG
04 Febroary 2018
--------
Rohy:
451 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0224