FITIA TSY TANTERAKA...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FITIA TSY TANTERAKA...!
Nikiky mafy ny atiko, nanindrona ny foko.
Nandona ny fanahiko, fa ianao ilay tsy foiko,
no tsy tia ahy, toa nandositra ahy.
Ka fo ahoana moa, no tsy mba hiahiahy?

Ny anaranao tsy maty, ny jerinao mitoetra.
'Lay tsikinao niantoraka, noheveriko tsy hisy fetra,
saingy kapoka amiko, ny nitia anao.
Ràtra anatin'ny aiko, 'lay fitiavako, nataonao kilalao!

Fitia tsy tanteraka, ny ahy sy ny anao.
Zary faka ratsy, ao am-poko ao.
Ka hohadinoiko, 'lay endrikao sariaka,
satria n'inona ho ataoko, dia nofy ny amintsika!
RRAG
30 Martsa 2017
--------
Rohy:
387 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0215