FITIAVANA…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FITIAVANA…!
Mbola zaza ianao, tsy mahalala akory,
‘zay sedra hinia handràtra, ny atinao rehetra!
Mbola tsy ary ianao, eny! Mbola resi-tory,
Dia mihevitra sahady hoe: “Efa io ‘lay fetra”!

Sinaingy tsy tsapanao, ny vesatra zogaina!
Miavosa ohatr’izany, tsy takatra isaina!
Ianao ‘lay mbola renoka, variana anaty nofy,
no injay ny aty fo fa maika ny hitosy!

Mbola zaza ianao, mbola be tomany!
Ka dia nahoana kosa, no maika ho ary an-tany!
Kanefa anie ry Fi…… e! Mbola tsy ho tantinao,
ny sedra sy ny zoga, vesaran’ny talaho!

Tsinapako ry aina, fa maika te hitsimoka,
maika te hamony, hinday ny akon’irony bitsika,
tsy maty anatinao, mipololoitra toy izao,
mbola zaza ianao, sady vahiny vao!

Fi…… a! Raha mbola azo atao,
dia aoka aloha izao!
Aza maika ho ary, sao ‘ndray handràtra fo!
Ka zary ho ratsy no hita, fa tsy izay hahasoa!

Kosa raha fantatrao, ny sarisarin’ny hoavy,
dia avy dia lazao, tsy misy sangisangy!
Fa sao mantsy ianao, ry fitiavana madio,
ho zary lasa indray, rivo-mitadio!
RRAG
27 Janoary 2020
--------
Rohy:
519 1
Mpakafy: iandyandriniaina
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0206