FITIAVANA AN-TARATASY…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FITIAVANA AN-TARATASY…!
Noraisiko ny peniko, nanoratra aho ho anao.
Nokajiako ‘reo teniko, hamaboana anao!
Dia zary nofinofiko, ianao ‘lay norohako.
Injay ny rotsirotsiko, manarona ny angotiko!

Novinaniako teny hoe, nanala akanjo ianao,
dia avy nosafoiko, tsy nisy raorao!
Nientanentana aho, nitolon’ity tiako!
Ny ho eny amboninao, no tena niriko!

Toy ny ranomasina, manonja dia mitony,
ny tositosintsika, ambany sy ambony!
Tera-tsemboka aho, nihiboka hafanana!
Ny eny amboninao, akany mahatamana!

Minitra roa na telo, valaka sy drodroka,
reraka sy sempotra, kanefa tafaroboka,
tanaty ainga miavaka, toy ny tsisy fetra,
tsy takatry ny sain’ny tia rehetra!

Naka aina kely, dia niverina nitolona,
tsy nahalala sasatra, tsy nahay nionona.
Ny foko nitroatroatra, maniry ny haka tombony,
saingy indrisy tsy nahazo, raha tsy sombintsombiny!

Satria ny eritreritro, no indray narafi-peniko!
Fitia an-taratasy, ity tsy mba nafeniko!
Fa teny kosa aloha, ny hafanana anatin’
ny fitiavana an-taratasy, voarakitra tsy ho faty!
RRAG
09 Desambra 2019
--------
Rohy:
615 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0204