FITSARAN’NY LANITRA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FITSARAN’NY LANITRA…
Hoy ‘ty feo manako, izay tsy niseho tava:
“Ety ny fitsarana, tsy ilànao mpisolovava,
fa manam-pahafahana, hiaro-tena ianao,
raha misy teny maro, tsy azoazonao.

Andriamatoa filoha, mirosoa ianao!
Eo hoe mba tantarao, ireo zava-bitanao,
ka mety nampiova, fiainan’olon-kafa,
sy nahafahany nitroatra, niady tamin’ny lasa”.

Namaly ingahy filoha, toa nikifikifi-doha,
niahotra ohatr’izany dia hoe, andrasokely aloha!
Izaho izao dia, nahavita zava-marobe,
efa tsy tambo isaina, ankoatrany “WC”!

Nampiakatra karama, nampihena ny tsy manana,
ka efa tsy vitsy izao, ireo lasa diso mpanana.
Ingahy minisitro iny, zary toa nahazo fiara.
Ny mpamafa-tranonay, novidianako akanjo tsaratsara.

Ny sekoly maro, nolokoiko ho zary vao!
Raha mahita ny hatsarany, dia ho gaga ianao,
hoe io ve ilay taloha, toa lasa raitra be,
tsy mampino fa, tena “Qualité”?

Fa hoy indray ‘ty feo: “Ary ny tsy efanao,
raha azonao atao, eo hoe mba lazao.
Maro loatra mantsy, irony zava-bita,
ny voka-tsoa nentina, nefa tsy nisy hita”.

Tena tsy nisy tompoko, tsy nisy ny tsy efa.
Ny mpanohitra ahy koa moa, treromina dia milefa,
dia moramora tamiko, namita izay kinasa.
Ny “element”-ko koa, tena efa zatra.
RRAG
30 Aprily 2018
--------
Rohy:
523 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0244