FO BINGOBINGO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FO BINGOBINGO…
Vinanio kely hoe milalao baolina,
eny an-kianjan’ny fiainana ianao.
Ka i Fo no safidy, nataonao gaolina,
hiandry ny tsato-by, voatokana ho anao.

I Fo izany izao, no aty ankavia,
dia i Saina indray, no ery ankavanana.
Samy vonona tsara, ny mpiandry tsato-by,
efa nihomana koa, fa samy efa havanana.

I Setrasetra no indro, nanao fanafihana,
ka nanolotra izany, an-dRafitapitaka.
Dia nandaka mafy, teny am-pisidinana,
i Fijaliana, nahafaty, dia indro nibitaka.

Maty ny baolina, fa tsy azon’i Fo,
lasa kanaly, dia nanakobana harato.
Ry Tsiky sy Hehy moa, lasa nialoha,
tsy tohitra intsony, fa sendra ankaso.

Dia nitarika ‘zany, ry Saina mpisetra,
indrao nanagohago, ‘ty Fo efa resy!
Mbola namono moa, ry Alahelo tsy voafetra,
dia injay nihogahoga, iretsy mpandresy.

Indrisy tokoa fa, Fo bingobingo,
mora fetsena, no niaro ny ekipa.
Izay tokoa ve, ilay hoe nidi-bingo,
ka baolina an-tongotra aza, ‘ty ‘zao tsy hita?

Roa noho ny aotra, izao ny lalao.
Resy ry Fo sy ry Fifaliana, namanao.
Mbola tsy nahita hirika hatramin’izao,
nefa efa hifarana ity ny kilalao!
RRAG
13 Oktôbra 2019
--------
Rohy:
298 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0211