FO MANGINA! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FO MANGINA!
Ilavitra anao aty toa mahatsiaro,
‘lay endri-tava mifangaroharo,
an’eritreritro ao!

Ilavitra ny efitra natokanao ho ahy,
mahatonga ahy hihevitra sy hiahiahy,
fa efa dify ianao ka tsy hiverina intsony,
tsy hiraharaha ahy na mba hahatsiaro akory,
ny fisiako aty!

Ilavitra ny akany ‘zay fitoeranao,
hinoako ianao any variana milalao.
Variana mangalatra fitiavan’olon-kafa!
Io no tsikaritro foiny ianao vao lasa.

Ny foko aleo hangina, raha toa ianao tsy ho ahy.
Ny fanalahidiny no nahidy, sao indray ka hampanahy,
izay mety ho solonao!

Fo mangina ve tsy ho afaka, ny hisento hampita hafatra?
Hampilaza anao malaky, ny mba hiverenanao,
fa manina izy, tena manina,
ka aoka re, aza avela ny hitalaho!
RRAG
Febroary 2012
--------
Rohy:
469 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0306