FO MISAONA…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FO MISAONA…!
Tsy misy fahafahana, raha tsy misy fotoana.
Nahoana ny fo, no tsy hisaona?
Raha ny sombin’ny aina, no lavo teny an’ady!
Fery toa akory, no ho maina sahady?

Ankasomparana, no namingana ny aina,
maràtra ny fo, marary ny saina.
Lavo sahady hono, ilay fatoran’ny aiko.
Rariny angamba, raha marary ny saiko!

Fo misaona, manorim-pery.
Ny maso manganohano, tsy mahavita mijery,
ity vata-mangatsiaka, ny sombin’ny aina.
Aleo aho ry lanitra, mba hitaraina!

Alaivo ny aiko, avereno re ny azy.
Fa nahoana kosa, no dia izy sahady?
Ny azy no hitany, toa vitsy noho ny ahy!
Aleo aho ny handeha, fa izaho tsy manahy.
RRAG
Ny taona 2013
--------
Rohy:
357 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0256