FO VERY... - RRAG
Azo vakiana?
“Ho anao mandrakizay”. Tratry ny fetin’ny mpifankatia malala a! (“Être à toi pour toute la vie”. Joyeux saint valentin mon coeur!). A & A
FO VERY...
Fo very mitady ny tiany,
miantsa 'reo hiram-pitiavana!
Mpitoetra fa tsy mpivahiny,
tena namana sady toa havana!
Fo very mitady sakaiza,
nahita ka tsy nahafoy!
Kanefa tsy dia nankaiza,
fa fotoana fohy dia fohy!
Dia injao ny fo fa mitroatra,
mitady 'lay tia sady tiana!
Ka miezaka manararaotra,
mampanembona an-dRafaniriana!
Sendra tokoa 'lay tia,
dia nifamatotra teny ny fo!
Nifarimbona niara-dia,
niara-nioty ny soa!
Fo very niverina am-bala,
nikaroka ka dia nahita!
Fitiavan-tsy manan-tsahala,
ity kinendry ny ho mba tafita!
Tafaraka teny ho eny,
dia nifamato-panahy tao anaty!
Samy tsy misy miteny,
ary samy maniry ny hiantsampy!
Fo very fa tafody an-trano,
midongy tsy ho lavi-tiana!
Irina ho halavirin'angano,
dia to ity faniriana!
RRAG
13 Febroary 2021
Hevitra mandeha
anchalkapoormodel1 (19/02/2021 04:52:22)
thanks for this lovely poem
Jaipur Escorts
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : RRAG

Nampiditra : RRAG
Daty : 18/02/2021
Mpamangy : 123
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
VETAVETAINY….MATIMATY FOANA SA?
KISARISARY FOTSINY...
TSY MISY HANIRY...
ANAKA...
SANATRIA KOSA ALOHA…
ITY FAHOTAKO…
AIZA IREO KARENJY?
IANDRASO AHO RAHA HO ANY IANAO…
MIVARO-PASANA…