FONY AHO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FOINY AHO…
Fony aho taona fahavalo, dia nisy raozy iray naniry,
hafahafa fomba fiaina, hafahafa koa fitsiry,
teny an-jaridaina hafa, tsy mety lo fa voatahiry.

Mena felana, maitso ravina, tsy mba nisy tsilon-draozy,
voninkazo tsy mba niavona, sady hafahafa paozy,
nitsiry tao anaty fo, namelam-bony ohatr’izany,
io ‘lay raozintsika roa, tsy mba nitsiry tamin’ny tany.

Tsy natolotro ho anao, tsy nomeko anao akory,
notereko tsotra izao, mba hiverina hatory,
tsy hifoha hitondra ràtra, toy ny an’ny hafa feno tsilo,
raha ny satriko aza, dia hovonoina koa ny jiro.
RRAG
02 Febroary 2005
--------
Rohy:
255 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0246