FON-DRENY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FON-DRENY…
Ry lanitra ao ambony, mafy loatra ity sedran’
ny fo tsy mety tony, ny ady miahy angeza,
ny fery toa mitombo, manitatra ny zaitra.
Ny omaly no mihombo, ny anio efa tsy laitra,
ka mba jereo ihany, na indray mitily aza,
leo ny mitomany, fiainam-pingan-dava.
Ry lanitra ao ambony, misitery loatra,
ny tena ao am-pony, nahatonga ahy hitroatra,
niezaka nikaroka, ny alalin’ny fitiavany,
tsy haiko ny hisaotra, raha tsy hitako ny maminy.

“Manofy angaha ny zanako, toa variana ny mandalina,
fa angaha tsy fantatrao hoe, ny andro mbola tsy alina?”

Neny, tsy hitako, tena tsy tazako akory,
hafiriana ianao no teo, no milaza ahy ho resi-tory?

“Efa ho fefafefankadiny, nandinihana anao,
nefa ianao toa variana, mandinika ny kintan-tsy misy.
Malomalok’endrika, indraindray dia mitalaho,
dia injao, manaikinaiki-nify.”

Variana aho ry Neny, malahelo ihany koa,
nefa tsy afaka ny hiteny, aminao ‘zay ao am-po.

“Fa dia nahoana re ry anaka, no dia manafina ahy ianao.
Ianao anie no hany zanako, ka amin’iza no hitalaho?
Ento, ento fa hihaino anao aho,
na mafy amiko aza ny handre, dia ento izay ho teninao.”

Tsy hitako, tsy hitako ny ambara, na teny kely aza,
fa toa alaheloko, ny fameranao sy Dada,
ny foko tsy hitia, olona ‘zay nofinidiny.
Tsy hodikaiko sanatria, raha toa ka io ny didiny.

“Tsia re anaka ô! Tsy misy idirako na kely, izao mahazo anao izao.
Fon-dReny no miteny, lazao, lazao izay marary anao!”

Neny, tiako loatra i Mahefa, saingy indrisy fa voarara.
Ny foko tany no niantefa, kinanjo anio dia hiafara,
ilay tantara vao raketiny, vao soritina mihitsy,
Neny ô! Ny safidy ve tsy misy?
Toa miangatra amin’ny foko, ny anjara tendrim-bintana.
Vara-datsaka amin’ny lohako, ny lahatra manao zara vilana.
Fery amiko avokoa, ny androm-piainako rehetra.
Mety tsy hisy hahasoa, ka aleo hatreo ny fetra!

“Hiezaka aho ry sombin’ny aiko, ny hanampy anao hitolona.
Efa ela koa ny saiko, efa ela no efa vonona,
ka raha ‘zay Rainao manakantsakana, aleo hiteny foana eo,
fa izaho Reninao dia tsy hisakana, na handrara ny anareo.
Mety izao angamba kosa a! Ny sori-dahatra holalovana.
Ny fitiavana no hamafiso, dia ataovy tsara tovana.”

Misaotra re ry Neny, misaotra anao ‘ty fo adala,
‘lay nisasaranao niteny, ‘lay nandanianao ny bala.
Balan’ilay fananarana, nanova endrika ny fiainana,
dia ‘lay fiainana, narafi-pisainana.

“Zanako ianao, na maditra na koa hendry.
Ianao no zanako, izay voasori-tendry,
ka tsy azoko ariana, ninoninona hiseho.
Hamafiso hatrany, ny fitiavam-ponareo!”

Neny, Neny, Neny tiako indrindra,
volamena raha ianao, tsy miankosotra na kely.
Neny, Neny be fitia, ilay tsy mba nifindra,
tiako ianao, tena tiako, hamafisiko amin’ny teny.
Ny fonao anie ry Neny, dia ‘lay fo tsy mba vato,
tsy mba efitra mifono, teti-petsy feno ankaso.
Fa voary zary voary, tsy hita rafitra na kely,
tena fo mahay mikajy, eny, tena fon-dReny.
Izay tsy manam-paharoa, tsy ho hananan’i Dada,
fa ny azy mantsy, toa latsa feno vazavaza,
isan’andro vaky izao, arahin-tabataba lava.
Hasosora-mifanesy, sy hatezeran-tsy misava.
RRAG
Jolay 2012
--------
Rohy:
410 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0276