FONJAM-PITIA..! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FONJAM-PITIA..!
Kanto dia kanto ny fonjam-pitia, raha samy tia izy sy ianao,
tsy misy ao ny fihatsarambelatsihy, ilavitra koa ny fo mitalaho!
Ny rojo miendrika fanantenana, fonjam-piadanana io sa tsy izany?
Ny trano miefitra dia hahatamana, fitia mifamaly tsy misy ohatr’izany!

Ny mpiambina tsotra ka mitondra ny taratra, toy irony voninkazo an-jaridaina,
ny andavanandro toa tsy manasatra, satria tena tsy hisy raha ny taraina!
Miavaka koa ny rindri-manefitra, mihaingo ohatr’izany ka tsy mankaleo,
ny alina aza tsy bedy raha mierotra, izany angamba ny zavatra hiseho!

Fonjam-pitia mahate onona, lapan'ny fiainana toa volamena,
iza amintsika noho tsy ho vonona, na hovidina aza izany eny an-tsena?
Nofy ny ahy e! Nofiko ihany fa aza disoana,
nofy ririnina mamatotra ahy, ka zary sary tsy tiako vonoina!

Fa ny fonjam-pitia dia tontolon'ny nofy, misy hasambarana lafatra indrindra,
hita ao ny tamby arahana tosy, fiainana tiana ho tsara rindra,
saingy tsy hisy raha eto an-tany, ny omaly aza voadona sahady,
ka nahoana izy no tsy hitomany, raha nilaozan'ny tiany tanaty ady?

Ny fonjam-pitia izay tena misy, dia ny andavanandro iaraha-mahita,
ao fifaliana, fijaliana indrisy, mbola ady mafy iaraha-miampita,
ka ny fonjam-pitia dia tontolo mifameno, misy ny tsara, ny ratsy tsy hadino,
tsy misy aloha ny lafatra sy feno, fa mbola hisy io, izaho mbola mino!
RRAG
24 Mey 2017
--------
Rohy:
993 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0236