FOTAKO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FOTAKO…
Fotako io fa avelao,
maloto eo ny akanjonao.
Mba avelao fa fotako io,
ny akanjonao toa mba madio.

Io no foto-pivelomako,
zary ady hitolomako,
mbola faka nipoirako,
ary ho lavaka hisitrihako.

Io no asa fivelomako,
hitadiavako ny ampitso,
ka tsy maintsy hilofosako,
na dia maimbo sy masiso.

Fotaka ho zary bainga,
hialofako raha lena.
Tsy mba vitan-daingalainga,
na rafitra fitiavan-tena.

Fa rafi-po mahay mihetry,
manaja hatrany ny hafa.
Tsy mba vitam-petsifetsy,
raha ny tolon’ny kinasa.

Fotako io fa aza ariana,
io no solonao ry tiana.
Satria ianao tsy tia akory,
dia amim-potako aho no hitory,
sy haneho ankalalahana,
ilay akanim-pahasambarana,
iarahanay mitolona,
tsy mba misy monomonona.

Fotako io ry ‘lay tsy tia,
io no hany mba nanaja,
na dia tsy niloa-bava,
ny dina fa hiara-dia!

Fotako io fa avelao,
sao lahy hanenenanao,
fa tsy tantin’ity aiko,
tsy zaka koa-n’izato saiko,
ny latsalatsanao aminy,
nefa ianao avy amin’ny taniny.

Fotaka manaja tena,
tsy mba tia mideradera,
tsy mba manosihosy ny hafa.
Fotako io, eny hatramin’ny lasa!

Fotako io ry mpanadino,
‘lay nahafahako mba nino,
ta tsy ho ela dia ho vita,
na dia nodianao tsy hita,
ireo tolom-piainantsika,
‘Zay efa vary mangatsiaka.

Fotako io ka avelao,
Maloton’io ny akanjonao.
Fotako io fa aoka re,
aoka izay ‘ty rehareha,
entinao manosihosy,
ny fahafahako hatrizay.
Nahatonga ahy hahandro fotsy,
sy nihafy indraindray.
RRAG
Febroary 2012
--------
Rohy:
255 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0232