GASY SADASADA…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
GASY SADASADA…!
Moa ianao avy any am-bohoka, nampianarina niteny,
na dia nibadabada ihany, tamin’izato tenin-dreny?
Moa ianao nandalo akory, ny fianarana abidy,
ka sahy hiteny Malagasy, ka tsy mikaviavia?

Malagasy ianao ekeko, Malagasy Ray sy Reny,
malagasy tsy mba fomba, na Malagasy koa fiteny,
fa Malagasy volon-koditra, efa te hiova loko,
indrisy raha mba tsapanao, ‘ty taninao ‘zay mitoloko.

Mba mitomany anao koa, fa malahelo ny fivoarana,
malagasy ianao ekeko, fa tenim-bahiny no handaharana.
Handaharanao fiteny, hanambaboana olon-tiana,
handrafetanao ‘reo boky, isoritam-binavina.

‘Ndry Malagasy sadasada, tsy mahay miteny akory,
na dia hoe mibadabada, izato teninao ‘zay ory,
mitaraina mafy ery, fa natakalonao ny an’ny hafa,
ny lelanao mivadibadika, toa “Bonjour” no mahazatra.

Gasy ianao fa tsy fitafy, ka tsy hanao izato an-koditra,
ny malabary efa an’ny lasa, lasa borotsaka mahakoditra!
Efa tinazana ny hafenina, efa hita izay takonana,
zipo fohy sisa no eny, fa efa nalàna, ny lambahoany fanakonana.

Gasy ianao tsy lavina, fa tsy mahay ‘zay fombafomba,
izay ataon’ny tena gasy, dia lazainao mampidi-doza.
Saingy ianao no tsy mahalala, ny hevitra entin’izy ireny,
gasy ianao fa sadasada, gasy efa tsy mahay miteny.
RRAG
14 Aogositra 2018
--------
Rohy:
597 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.027