HADINOKO NY LASAKO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HADINOKO NY LASAKO…
Mamy ny fitia, mahatsiaro ny orokao.
Tena tiako indrỳ, ny foko tsy mba lao!
Tsaroako irony safo, mitehina amin’ny vatako.
Ilavitra ahy ny tsatso, hadinoko ny lasako.

Mamy ny niarahana, paradisa tsisy ohatr’izany.
Ny fotoana hisarahana, alin’ny tomany.
Tsy maintsy mody ianao, eny na tsy ho zakako.
Fa ny teo anilanao dia, hadinoko ny lasako.

Jereo irony kintana, ny tokana amin’ireny,
no anjara vintana, raha sendra fo irery.
Dia hoavy aho, hihazona ny tokiko,
‘lay nosoratako sy ianao, tanatin’iny bokiko.
Fa rehefa eo ianao, dia sitrana ny ràtrako,
noho ianao irery ihany dia, hadinoko ny lasako!
RRAG
Alahady 17 Nôvambra 2013
--------
Rohy:
302 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0361