HAFANANA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HAFANANA…
Nijojo nirotsaka nanarona tava,
ilay ora-mikijan’ny andro fahavaratra.
Ny foko anefa tsy mbola nisava,
fa tazako ihany ilay lasa nitaratra.

Nandalo ianao,
nanipaka mora ‘lay volo efa kotsa,
nanolan’ireto fitafy efa lena.
Sendra nierika nahatazana ahy,
nijanona kely nandinika tava.
Nitsiky madinika tsy tan’ahiahy,
toa nahatoky tena!
Ka nijanona mihitsy izato ianao,
ny mba hiarahaba!

Manahoana?
Hoy ‘lay feonao milanto,
fa angaha ianao moana?
Hoy ‘ty vorona kanto,
fa tsy mba namaly izato arahaba,
sa menatra kosa ny hanoka-bava ?

Sadaikatra aho tsy nahaloa-peo,
nijinery fotsiny izato bikàna.
Nihaino ilay hantahantam-peo,
nanala ny hatsiaka dia nitondra hafanana.
RRAG
29 Aogositra 2012
--------
Rohy:
269 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0222