You are here: home > Vetso

HAFATRA… - RRAG

Azo vakiana?

HAFATRA…
Raha te ianao tafita, hahatratra irony tanjona,
dia ny fianaranao, no aza atao hatsirambina.
Fa io ihany mantsy, no tohatra fiakarana,
ka noho izany, hajao ny fianarana.

Ny hafatra hampitaiko, dia momba ny fianarana,
satria io ihany, no foto-pandaharana,
fanoritan-dia, hikatsaka ny soa!
Io irery ihany, no tena mahasoa.

Ka raha mba hirinao, ny hanan-kifatrarana,
dia ny fianaranao, no atao loha-laharana.
Fa ho hitanao, ny tombontsoa omeny,
avy aminy ihany mantsy, no nahafahanao niteny!
RRAG
08 Martsa 2013

Hametraka hevitra

Midira aloha