HAFATRA MIAFINA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HAFATRA MIAFINA…
Vao nahita ireo teny aho, ka natombokao ‘lay “T”,
dia nofongariko hifoha, ny hirahirako fahiny.
Toa tsinapako ao am-poko, fa izy tsy any intsony hoe…!
Tsy tiako intsony ianao, tsy tiako intsony fa aza tsiny.

Notohizinao ‘lay hafatra, toa maneso ahy miankolaka,
ka ninoninona hiseho, izaho tsy hiverina hiantoraka?
Neniko aza iny andro, nahalatsaka fitia, ka nitiavako anao,
ankehitriny efa voafafako, ny ferin’ny aiko, ràtram-po navelanao.

Novakiako ihany anefa, ity hafatrao miafina,
mbola tsapako eny foana, ilay toetranao nandao.
Feno hambo, fitiavan-tena sy ‘lay toetra miavonavona,
soa anefa, fa tsy tiako! Tsy tiako intsony raha ianao.

Dia nofafako ny hafatrao, eny tsy nasiako valiny.
Niandry aho! Mba miandry ianao, izay angamba hoe ny rariny.
Saingy mety tsy hisy mihitsy, valin-kafatro hiampita,
satria ny am-poko efa niaiky, fa hoe ny antsika dia efa vita.

Ianao efa tsy ahy! Tsy ho ahy, tsy isan-dRaozin-jaridaiko.
Lalan-kafa tsy mitovy, no hizorako sy hizoranao.
Tsy iray kianja intsony isika, ka nahoana ianao no holalaiko?
Tsarovy hatrany ny alaheloko, foiny ianao nikiry handao.

Ka aza omenao tsiny aho, raha tsy hamaly ny hafatrao,
fa ny fitiavana ato anatiko, tsy ekeko ho kilalao.
Tsy ho avelako, ny fanahy sy ny foko! Ny hitia mangina indray,
sao haningotra ahy, ny zirizirinao! Ka veloma mandrakizay!
RRAG
28 Oktôbra 2017
--------
Rohy:
393 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0651