HAKA AZY VE? (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HAKA AZY VE?
Ry fasana romotra be fanantena,
mandrafitra fandrika ho an'ny osa.
Maika ery hahita azy hianjera
mioraka mafy fa sendra aina votsa!

Manoka-bava fa ramaka mafy,
tsy mifidy arapaka na dia sisam-paty.
Tsy ny amoron-tevana no tena jonoiny,
fa 'lay mirijarija no injay fa fofoiny!

Ry fasana noana tsy mahalala honona,
faly ery fa nandaitra ny haza....
Iza tokoa moa no hilaza fa vonona?
Ny hirina aza anie ka ny hijanona ho zaza!

Ry akany vato na miendrika tany!
Haka azy ve no mahamaika anao?
Dia tsy mahita ireo ai-mitomany,
noho 'ty fahoriana ninia natataho!
RRAG
20 Nôvambra 2020
--------
Rohy:
315 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0936