HALAKO SY TIAKO…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HALAKO SY TIAKO…!
Ry foko nitia, toa halako ianao.
Mandràtra ny aiko, fe toy izao.
Mandrotika ny aty, izay miezaka miady.
Nefa ry foko, aza leo sahady!

Tiako ianao, ry foko mitia.
Tsotra dia tsotra, tsy mihatsaravelatsihy.
Saingy toa halako, raha sendra voafitaka.
Ianao no marary, fa ny hafa misintaka.

Halako ianao, ry foko mamery.
Ny sedra rehetra, toa hainao tsianjery.
Dia inona izany, no mba hodiaviko?
Ry foko ô! Toa tiako ianao, tena tsy laviko.
RRAG
26 Desambra 2013
--------
Rohy:
363 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0228