HAMEHEZANA! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HAMEHEZANA!
Toy ny rano an-tendrombohitra, mahita lala-mikodana,
saingy tsy izay no sakana, tsy ahafahany hiampitana,
hivarinany an-drano, ‘zay ranomamin’ny fahafahana,
ranomasin’ny tomany, ‘lay tontolom-panjanahana.

Toy ny voron’ny ala, hafa fijery saingy babo,
miriaria an-danitra eny, tsy manahy ny ho lavo,
tsy voafatotra anefa, voafehin’ny herin’ny ainy,
tsy marary nefa kosa, tsy milamina ny sainy.

Toy ny raozy an-jaridaina, mba voakarakara tsara,
nefa manam-petra ihany, eo ampiandrasana ny anjara,
fa hotinapahana ho haingo, handravahana akany,
saingy ny anio ihany, dia ravan’ny fasana avy hatrany.

Toy ny fo vao nitia, dia nilaozan’olon-tiana,
tao anaty ilay fitia, notohofam-paniriana,
ka niteraka fery, ràtran’ny po tsy hay sitranina,
indro zary tsianjery, rehefa iny sendra manina.

Hamehezana izay, dia hafa ihany ny milefitra,
fa tsy fonja higejàna, ny nanaovana ny efitra,
ho rindrin’efatra toy io, na mankararirary aza,
mangina, aleo izany ho any, aza asiana tabataba!
RRAG
31 Desambra 2012
--------
Rohy:
337 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.022