HANAO IZAHAY... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HANAO IZAHAY...
Hanao izahay anio; voady an'alitara,
hiaraka hanoritra, ny ivon'ny tantara,
hiaraka handrafitra, tontolo iray vaovao,
hiaraka hizaka, 'zay rehetra mitatao.

Hanao izahay anio, tokim-pifanekena,
hanoritra fitia, feno fandresena,
hametraka sonia, amin'ny bokim-pitiavana,
anio izahay no, hanoritra ny lalana.

Dia hifampizara eny, ny teny mamy indrindra,
hampanantena koa, fitia tsara rindra,
feno fifandeferana, maharesy ony maro,
anio ny adinay no, manomboka hifangaro.
RRAG
26 Aogositra 2018
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
558 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0215