HANDEHA IZANY IANAO O? (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indro tononkalo famenon’ilay ainga: “RY TAONA HOAVY IRY…!”

HANDEHA IZANY IANAO O?
Ento ho anao daholo, ny olana nandràtra,
irony tebiteby, zary toa nahazatra,
nihiboka tan-tsaina, nandoro ny aty fo,
fa aleo hijanona eto, ‘reo nahitana soa.

Ny ranomaso latsaka, ny sento izay nandalo,
ento ho anao koa, irony vetson-kalo,
nanitatra ny fery, nampihombo irony ràtra,
ento ho anao ireny fa, efa toa tsy zaka.

Ry taona ho lasa ity…! Aza misy avela,
‘ndeso avokoa, ireo rakitry ny ela,
nandrovitra ny zaitra, natao tamin’ny fo.
Ento irony vao, hatramin’ny taloha!

Handeha izany ianao o! Ry taona iray mangidy?
‘Ndehana e! Fa efa vitanao, ny andraikitra sy adidy,
efa voapetrakao, ny arofanin’ny aina,
efa nohateveninao, ny heriherin-tsaina!

Fa na izany aza, ry taona ho lasa ity…!
Nisy ihany tsiky, narahanao fitia!
Natolotrao ny fony, foiny izy resin’ny ady,
handeha izany ianao o? Fa efa tapa-tady…

Ry taona ho lasa ity…! Veloma fa tsy hihaona,
misaotra anao aloha e! Noho ireo fotoana,
mamy sy tsiaro, tiana hitamberina,
ny nandalovanao dia, tsy asiana nenina!

Handeha izany ianao o? Soava dia ry taona!
Irina dia irina, tsy hisian’ny fo hisaona,
fa mba hondesinao, hanaraka ny lasa,
ny handray ny tananao toa, fihetsika hafahafa!
RRAG
28 Desambra 2018
--------
Rohy:
746 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0235