HANORATRA! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HANORATRA!
Na dia taratasy maro, tsy mba nisy valin-teny,
no nalefany ho anao, isak’izy mahatsiaro.
Dia tsy nahakivy azy, ny manoratra toy ireny,
isan’andro vaky izao, mba hamerina ny tsiaro.

Na ny ranomaintiny aza, no lanilany foana teny,
nandrafetany ny ainga, nitoetra tao am-pony.
Na dia voarainao, fa nodiana ny tsy nijery,
ny hafa-nampitainy, dia tsy nasiany lonilony.

Hanoratra izy, hanoratra indray,
Ho tsiaron’ny fahiny, sy ny hatrizay,
ilay ninianao, tsy notsaroana intsony!
Hanoratra izy, mba ho an’ny fony.

Na dia norovitinao, teo imasom-pakitera,
ny taratasy nampitainy, nisy hafatry ny fony,
satria aminao, hafatra mandany lera.
Dia tsy nahoany!

Hanoratra izy ho anao, amin’ny ranomainty vao.
Ho fampatsiahivana ny lasa, ‘lay ninia-nadinoina.
Hanoratra izy ho anao,
teny sarotra vonoina!
RRAG
20 Febroary 2013
--------
Rohy:
300 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.02