HARENA TSISY DIKANY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HARENA TSISY DIKANY…
Efa voafatony ny saina, lasany ny fo,
navelany ho savolaina, hianjera fanindroa.
Notohofany alahelo, ny fonao ‘lay nitaraina,
ka lasa nankaleo, ‘ty harena tsy dia ilaina.

Tsy avelany hiteny, nefa tsy tampenam-bava.
Tsy avelany hihaino, na tsy marenina aza.
Dia novoleny ho ady, irony tafantsika,
mba handravàna dina, sy velirano vita!

Ravany ihany ve, ilay fato-pihavanana?
Hany nantenainy, ho tohana sy ho namana!
Nefa aiza izy, fa toa tsy sahy manohitra azy?
Manohitra ‘ty vola, fototry ny ady.

Sa kosa miandry, ny hifaranan’ny ady?
RRAG
Ny taona 2008
--------
Rohy:
323 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0203