HASINA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HASINA…
Volamena sarobidy,
mitoetra am-po mangina.
Tsy hananana safidy,
fa dia toka-manan-jina.
Ny hasina hono mantsy,
no voninahitra avo lanja.
Ary harena lafovidy,
toy ny lokom-bolom-panja.

Diamondra tokan-doko,
tsy voavidin’ny harena.
Fitiavan-tsy miloko,
tsy nasiana fanerena.
Io no hany hasina,
mbola tanam-po mangina.
Ao an-kianja manan-kasin’
ny fo be faniriana!

Toa safira tsy fahita,
saingy maro mpitahiry.
Toy ny vina ‘zay tsy vita,
hovitaim-po ‘lay tia mikiry.
Toy ireny rehetra ireny,
ny lanja entin’ny hasina.
Tsy voatombana am-pijery,
fa tontolo manan-kasina.
RRAG
01 Janoary 2013
--------
Rohy:
534 1
Mpakafy: Eliasy
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0207