HATRAIZA…? (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HATRAIZA…?
Tsy misy na iray,
amiko sy ianao,
afaka mamantatra,
ny ivon’ny tantara.
Tsy nisy na iray,
eny! Hatramin’izao,
niaiky ny anjara.
Fa manamafy foana,
ny toky efa vita!

Tsy nisy tamintsika,
nanaiky ny nangina,
nitahiry ny tao am-po.
Ka na dia lazaina ditra,
ny miaraka amin’ny tiana,
dia tsy novakiana loha.
Fa mainka nodikaina,
tsy noraharahaina,
ny tenim-pototr’aina,
ilay naminavina,
hoavy tsy hantenaina!

Hatraiza? Hatraiza ny tena,
no zana-pirenena,
ka tsy afaka hisafidy,
na mamy na mangidy?
Tsy afaka eo imolotra,
ity fitia natolotra!
RRAG
Alakamisy 26 Septambra 2013
--------
Rohy:
248 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0666