HAZABE…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HAZABE…!
Nikaroka ihany taloha,
fa toa mbola tsy nety nambinina.
Indraindray aza vaky ny loha,
ka nikaton-trano nimpirina.

Tsy sahy naneho ny endri-tava,
menatra tsy nanan-tantanana.
Dia nangina fotsiny ny vava,
nokianin’ireo nilaza ho namana.

Vorombe iray no sendra nandalo,
toa sady taviny no volony.
Tsara feo ka injay velon-kalo,
oay! Ity hakanton’ny molony!

Dray koa! Toa natopany ny volony.
Ilay somary manaronaron-tava,
hita ery hoe tena voakolony.
Izato izy, sady tsy fohy no tsy lava.

Ny tsikiny lahy, toa tara-masoandro,
mitondra hazavan-tsy misy fetra,
satry hotazanina isan’andro.
Izy aloha dia miavaka, amin’ny rehetra.

Toa tsy miavona no sady sariaka.
Marina raha tsy efa babo ny tena.
Nefa toa nofinofy ny antsika,
fa ay ianao, vahiny mpiantsena!

Mpandalo ka tsy ho ela fitoetra,
hazabe toa tsy mety ho voapala.
Ny fivaniananao eto Iarivo voafetra,
fa mbola hody any Vohidiala.
RRAG
09 Mey 2018
--------
Rohy:
300 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0205