HAZO BOBOKA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HAZO BOBOKA…
Raha iny amin’ny alina tena mahory,
no misy fitia hoe hamono fitiavana.
Na ilay sasak’alina renoka tory,
no misy mitsaika handom-baravarana.
Dia rariny angamba raha tezitra ianao,
ka avy hankahala azy tsotra izao!

Fa moa ve ny fo ka hainy toherina,
tsy hipololoitra fitia hahakasika anao?
Raha izany tokoa dia tokony nafenina,
naleviny nangina tsy ho tinazanao.
Fa tia izy diso, eny eh! Helony izany,
nefa moa koa ve ny ampitso, ho omaly ihany?

Tsy hisy hahalala ny ambaran’ny hoavy,
ary tsy hisy hahatsapa izay fihetsiky ny fo.
Fa izy efa babo mamatotra tady,
ilay minia mandà nefa tia ihany koa.
No hany vao hita ka toherina ahoana?
Sa tsy leo nijaliana dia mba te hisaona?

Raha iny ianao tomefin’ireo asa maro,
no miantso tsy miato ireo naman-tsy foy.
Dia ho avelanao hifangaroharo,
sa avy hatrany dia vitaina alohany?
Fa ny anio tsy ampitso ka hangatahana andro,
ka avy hanenina rehefa mody masoandro!

Ny tian-kambara dia tsotra ihany,
hatreho ny anio fa aza iandrasana ampitso.
Ny fo rehefa tia dia vakio avy hatrany,
fa sao hamery ka ho maimbo hasiso!
Sahia mijoro na dia ho an’ny anio,
mba tsy ho zary hazo boboka hondesin-tadio!
RRAG
09 Nôvambra 2018
--------
Rohy:
388 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0206