HENATRA… (RRAG)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HENATRA…Henatra amin’ny fo, ny hanambara izay aminy,
tahony ihany koa, ny hizaka ny tomaniny.
Saingy toa tsy maintsy, ary tsy ahafaha-miteny,
nefa ihany koa tsisy teritery, ireny rehetra ireny.
Henatra amin’ny tia, ny hizaka amin’ny tiany,
ny tahirim-pitia, nilaozan’ny fahiny.
Saingy tsisy tsiny, raha sitraky ny fo,
ny hitsiaro ny fahiny, satria hitondra soa.
Rovi-boro-damba, tsy tsara atao fitafy,
ho an’ny olon-tiana, ny henatry ny tena.
Ka izay indrindra, no tsy maintsy hampihafy,
hanakombonam-bava, satria fahendrena,
ny mihazona ny ràtra, novolen’ny tena,
na dia fery aza, tanaty fahalemena!
RRAG
01 Janoary 2013
--------
Rohy: