HIFARANA INDRAY…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HIFARANA INDRAY…!
Eh! Hifarana indray moa ity ialahy ry taona,
ilay nitondra fifaliana, ninday fo nisaona,
noheverina hiova, nantenaina ny hanova,
saingy toy ‘reo lasa rehetra, ‘zay efa any am-ponja!

Firifiry tamin’ialahy no hoe nandalondalo teto?
Iza tamin’ireny no naharitra, ka tsy nisento,
tsy nilatsa-dranomaso raha vao nandao anay?
Saingy ireny tomany ireny akory, tsy nahatàna na iray!

Eh! Hifarana indray moa ‘zany ‘ty ialahy ry taona,
nefa moa hamela mamy, sa fo vaovao indray hisaona?
Fa ny naman’ialahy ‘zay lasa mba nitsinjarazara ihany:
“Fifaliana, fahoriana, tsikitsiky, sentosento sy tomany!”

Soava dia ialahy dia mitsidiha raha afaka,
ny mivavaka ho anay dia aza mba hatsahatra.
Mirary izay ho soa, mendrika an’ialahy,
izahay tsy maintsy handroso, f’aza dia manahy!

Hifarana indray, an’ora maromaro,
ity ialahy ry taona, ninday ‘reo sedra nifangaro!
Veloma an-kopa-tanana, no indro atorakay!
Veloma lesy a! Veloma mandrakizay!
RRAG
10 Desambra 2019
--------
Rohy:
483 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0221