HIAKAM-PANDRESENA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HIAKAM-PANDRESENA…
Nofy toy ny nofy, ratsy tsy noheverina,
maizina ny lanitra, ny tenako nanenina,
tamin’ny zava-bitako.

Loza tena loza, voina tsy nampoizina,
vokatra hadalana, zary lasa poizina,
namoizana an’i Mama.

Latsa miampy latsa, esoeson-tena,
tody mitamberina, nitondra faharesena,
satria lavo i Neny.

Izaho sy ‘ty ditrako,
sendra lalana malama,
satria tsy nihaino teny.

Izaho sy ny vintako,
nandositra hafanana,
tsy nihaino tenin-dreny.

Fa ny hiaka faran’i Neny,
tsy latsa, tsy eson-teny.
Fa ny hiaka faran’i Neny,
dia hiakam-pandreseny,
hoe: “Vita hono ny azy,
fa ny ahy no sisa”.
Neny ô! Tapaka ny tady,
‘zay nifandraisantsika.
RRAG
02 Jona 2014
--------
Rohy:
370 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0235