HINDRANA... - RRAG
Azo vakiana?
HINDRANA...
Hihindrana tsiky aminao aho raha mety,
hitarafan'ny foko izany hafaliana.
Tsapako an-tsaina hoe tena mirenty,
mamira-jerena ity fitsikiana.
Kanto tokoa sady tena bikàna,
ianao 'lay mitsiky an-tava sariaka!
Ny masoko aza, tena tamana,
mahatsapa ny onjam-pitiavan-tafita!
Tena hihindram-pitia aminao aho retsy,
hanadinoana ny lasa sy vita!
Fitia lalim-paka sy koa tsara tefy,
tohofan'ny mamy 'zay tsy mety ritra!
Eo ampindramo ny foko ny sento,
rehefa iny ianao mitepo fitia!
Hindramiko koa ireo hira fivetso
-nao 'reny isika tafara-dia!
RRAG
19 Aogositra 2021
Mombamomba
Mpanoratra : RRAG

Nampiditra : RRAG
Daty : 30/09/2021
Mpamangy : 381
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
IZANY VADY IZANY…EO...! (19 Janoary 2022)
IZAHO...! (25 Febroary 2022)
KOA RAHA TSY MITAPY…
INDRISY...! (18 Aprily 2022)
INDRAY NITETE...
TSIARO TIANA...
NIANATRA NITIA...
NISARAKA HONO…!
"LOVE" AKIA NY FO A!