HIRAVINA NY TAONA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HIRAVINA NY TAONA…
Ela ihany ny ela, fa hiravina ny taona.
Ela ihany ny ela, fa ho dify ity fotoana.
Hivadika isa tokana, hitombo isa iray.
Nefa ve ho taona, ho taona hampiray?

Hiravina ny taona, kanefa ny alahelo.
dia ho eny foana, ho eny hihelohelo.
Ka moa hanova inona, izay fivadi-taona?
Azo hinoana ve, tsy hisy fo hisaona?

Hiravina ny taona, hiandoha anaty fety.
Kanefa eny foana, ilay fahoria-namefy,
tanatin’ilay taona, maro efa voadingana.
Asa aloha ‘ty taona ity, raha mba hiova dingana.

Teny kely monja, teny avy ato am-po.
Fa tsy maintsy mbola hanonja, ny fiaina-misy soa.
Tsy maintsy hisy haizina, anaty hazavana.
Hanjaka koa ny hatsiaka, anaty hafanana.

Fa hiravina ny taona, hiravina ny lasa.
Saingy hivadibadika eny, manaraka ny kasa,
satria toy ny voa, na tsy hafafy aza hitsiry.
Mety tsy hamony, tsy hisy voka-piry.
RRAG
31 Desambra 2004
--------
Rohy:
236 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0209