HITENY AHO, AMPY IZAY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HITENY AHO, AMPY IZAY…
Ry fireneko mamiko, nangina aho fahiny,
nitazantazam-potsiny, izay nahazo anao.
Fe ankehitriny, mba ho an’ny taniko,
hitsangana aho, fa tsy hanaiky izao.

Maro ireo maty, nianjera teo imasoko.
Rotiky ny bala, niandry ny antsoantsoko!
Izay antsoantsom-panafahana, ‘ty fery tao anaty.
Mizoga ràtra mafy, ka mila ny tsy ho tanty.

Hiteny aho, fa ampy izay!
Tsy hangina intsony, hiady ho anao.
Fa ny hatrizay, izaho mbola resi-tory,
no niniana nofatorana, ny fahafahanao!

Hiteny aho, ampy izay!
Sokafako ny vava, hitolona ho anao.
Anaty tabataba, tsy misy rà vaovao,
hilatsaka intsony, tahaka ny hatrizay!

Hiteny aho, ampy izay!
Ny fahafaham-pireneko, tiako ho mandrakizay.
Ny fatoram-perinainy, tiako mba ho may!
Hiteny aho, ampy izay!
RRAG
16 Febroary 2013
--------
Rohy:
259 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0203